Fotoam-pifidianana moa ankehitriny. De manao fampielezan-kevitra hanohanany ny kandida tohanany ny mpanao pôlitika. De mirotsaka koa ny mpanakanto sy ireo sokajin'olona hafa. Samy manana ny fomba fanaovany izany ny rehetra. Fa ny mba nahalasa saina ahy ary tsoriko fa tena tsy mety amiko de izay niseho tao amin'ny gazety "Ao Raha" omaly ( 29 Novambra). Inona ary izany hoy ianao? Teo amin'ny pejy faha-8, pejin'ny dokam-barotra de "gazety" iray mitokana no hitanao eo : gazety "Ny Mpanolo-tsaina". Ihagamainty no mpanoratra ao. Ny "Hagamainty" malaza de ilay mpanolo-tsaina an'Andrianampoinimerina. Ity mpanjaka ity moa de fantatra fa ny fahendren'ny mpanolo-tsainany no naha-mpanjaka lehibe azy. Tsy mampaninona ahy ny isaloran'ny mpandoka ny anarana ihagamainty, ny anarana tanim-boanjo rahateo,adidiny kosa ny manao izay hahatonga azy ho mendrika ny anarana entiny. Ny tsy mety amiko kosa de ny nanaovany ity "gazetiny" hoe "Ny Mpanolo-tsaina". NY gazety "Mpanolo-tsaina" fantatro de gazety nivoaka tamin'ny faramparan'ny taon-jato faha 19 sy fiandohan'ny taonjato faha-20. Gazety navoakan'ny fiangonana ary nahitana ny soratr'ireo "sangany" teto amin'ny firenena. Tao ohatra no nanoratan'ny pasitera Ravelojaona ny lahatsoratra nipoiran'ny VVS. Eo ihany koa ny lahatsoratr'ireo mpitandrina izay heverina fa avo fahalalana ny teôlôjia ( Rabary, Andriamifidy..). Nahafahan'ny malagasy mba nanoratra ny tantara-pireneny koa tao. Nisy endrika famahoahana ny siansa koa aza tao. Ireo avara-pianarana protestanta indrindra moa no tena niantefan'ity gazety ity. Ankehitriny de aman'aliny maro no anombanan'ny mpivarotra ny vidin'ny laharana iray raha sendra mahita aza ianao. Raha tsorina, de azo heverina ho toy ny lova iombonan'ny malagasy, mitovy laharana amin'ny "Tantaran'ny Andriana" ity gazety ity.Raha misy afaka mihambo ho tompony, de ataoko fa ny FJKM, mpandimby ireo misiona namoaka azy taloha, fa tsy Ihagamainty velively. Raha tsy diso aho, niezaka namerina namoaka ity gazety ity rahateo ny FJKM, saingy tsy hita ny tohiny. Na izany na tsy izany, izao fihetsika izao de mariky ny tsy fanajantsika malagasy ny tantara sy ny lova iombonana : omena loko pôlitika ny anarana izay tsy misy ifandraisany amin'ny fifidianana ho avy. Iza no hanome hasina antsika raha isika aza tsy mahay manaja ireo ntaolo reharehan'ny fireneny tamin'ny fotoan'androny? Sarotra amiko ny hino fa amin'izao taonjato izao no hisy mpanoratra frantsay hanao solon'anarana La Fontaine na amerikana hamoaka gazety hoe "The Federalist". Fanajana tena koa ny fanajana ny anarana malaza taloha.
jeudi, novembre 30, 2006
mercredi, novembre 08, 2006
Aleo tsy miresaka
Asa ianareo raha efa tratry izay fotoana hoe aleo tsy miresaka zay. Iaraha-mahalala moa fa maina be ny andro amin'izao. Fianarantsoa tsy misy rano moa Antananarivo milona ao anaty setroky ny doro-tanety. Sendra tafaresaka tamin'olona izay aho teo Marozevo ( RN2) .
-Efa ela angaha no tsy nisy orana taty hoy aho mantsy azy.
-Ie efa ela.
-Ary ahoana ity setroka doro tanety ity?
-Ry zareo manao vary sy tsaramaso io eh, ngaha moa de heverinareo fa dorana fahatany io tanety io fa ilaina amin'ny fambolena anie io eh.
Naleoko najanona ny resaka de ny lalako no nasiako olona haingana.
-Efa ela angaha no tsy nisy orana taty hoy aho mantsy azy.
-Ie efa ela.
-Ary ahoana ity setroka doro tanety ity?
-Ry zareo manao vary sy tsaramaso io eh, ngaha moa de heverinareo fa dorana fahatany io tanety io fa ilaina amin'ny fambolena anie io eh.
Naleoko najanona ny resaka de ny lalako no nasiako olona haingana.
mercredi, juillet 05, 2006
Resy sa nandresy?
Marina fa lalao ny Mondial, nefa na izany aza de tsapa fa misy "lalao" hafa koa ao ambadika. Ny an-dry zareo frantsay no tena nahaliana ahy. Ny malaza any amin-dry zareo moa izao de ilay lalàna novolavolain'ny ministry ny atitany Sarkozy. Lalàna izay heverina fa hamerana ny fifindramonin'ny afrikana any Frantsa. Ny ankabeazan'ny tany afrikana moa izany de manakiana ity lalàna ity avokoa. Asa koa na dia tena tsy mahay baolina ireo frantsay fotsy na ahoana fa de saiky frantsay mainty avokoa no mandrafitra ny ekipam-pirenen-dry zareo. Tamin'ny fiandohan'ny Mondial moa de toa tsy nahomby loatra ry zalahy ireto. Kanjo de tonga amin'ny antsasa-dalana ihany. Be ary ny nihevitra fa resy ingahy Sarkozy. Asa koa na izaho no tsy maharaka na ilay rangahy ity no tsy tia baolina fa tsy de hitako amin'ny vaovao loatra ny heviny amin'ity mondial ity, raha tazana matetika sy efa naneho hevitra ny filoha frantsay Jacques Chirac. Raha ny fahitako azy koa de maika loatra ireo mpanakiana ny ministra hilaza fa tsy mitombina ny hevitr'ity farany. Satria raha ny zava-misy aloha izao de vao mainka manome rariny azy. Raha ny pôlitikany mantsy no jerena de tsy mila vahiny izy afa-tsy izay ilain'ny tsenan'asa any aminy na koa afaka hanindrahindra ny endriky lafrantsa. Ireo mpanao fanatanjahantena moa izany de izay no tena andrasany aminy : ny handresy. Ary de mazoto ry zareo handray izay kinga sy efa hita porofo fa mahay. Soa aloha fa mba misy ihany ny afrikana no mitazona ny zom-pireneny, fa eritrereto ange raha hoe lasa teratany frantsay daholo ry Drogba sy ireo kintan'ny baolina afrikana ireo. Angamba de ho ekipa roa ihany sisa no avelan'ny Fifa hisolo tena an'i Afrika amin'ny mondial manaraka
lundi, mai 15, 2006
Vaovao manokana
Aminareo, inona no karazambaovao anaovana vaovao manokana tsy amin'ny ora mahazatra? Mba nahavariana ahy mantsy ny omaly izay tao amin'ny TVM. Tamin'ny 9 ora sy fahefany alina, rehefa nifarana ny sarimihetsika voalohany ka tokony hiditra amin'ny faharoa de nanao vaovao manokana ny TVM. Taitra kely ny tena hoe misy zava-dehibe izany matoa nanaovana vaovao manokana. Inona ary hoy ianareo? Hay ny faha-folo taonan'ny Synaodam-paritany FJKM Atsimon'Iarivo. Sady nihomehy tena aho no gaga. Ilay izy manko efa hitako tamin'ny oran'ny vaovao mahazatra ihany no naverina. Ny kabarin'ny filoha moa izany no tena notaterina tao fa izay toriteny tany tsy nisy niraharaha. Ny tenanay angamba no tsy nianatra fampitam-baovao fa raha ny hevitro, raha de atao drindran-gilo loatra ny vaovao toy itony, mahamonamonaina ihany ny farany. Fa ry zareo moa izany mahatsapa fa misy ny tsy mijery vaovao kanefa tokony ahita ny ataon'ny filoha ka dia amin'ny oran'ny sarimihetsika no andefasana azy. Ny toy itony no tsy maharesy lahatra ahy mihitsy ny amin'ny tokony mbola hisian'ny "haino aman-jerin'ny fanjakana"
mercredi, avril 26, 2006
Tsy maharaka baolina
Hiresaka kely momba an'i Toamasina indray aloha aho. De hiresaka baolina ihany koa. Tsy de ny baolina gasy momba ny uscafoot sy ny Usjf loatra fa momba ny baolina eoropeanina. Tsy izany mantsy fa de tena tsy maharaka mihitsy ny tenanay. Nefa anie de mba te-hanaraka ihany, saingy...Fa ahoana ary hoy ianao? Tsy misy mandefa eh. Omaly izao de reraka fotsiny namadibadika chaine fa de ehe, tsy misy...tsy nahita arsenal indray izany. Asa indray androany. Ny matetika mitranga de androany vao alefan-dry zareo ny baolina omaly. Ny vokatra moa efa henonao izany. Ny mahavariana de ity : ny TVM ao Tana de mandefa mivantana ny lalao, ka nahoana izahay no voatery tsy maintsy hiandry andro manaraka vao mahita? Sao de mba tokony ampitovian'ity fahitalavi-panjakana ity ihany ny mpijery rehetra. Azo natao tsara ohatra ny nandefa mivantana ny lalao famaranana frantsay, ka nahoana no tsy azo atao ny mandefa mivantana rehefa champions league? Tsy resaka teknika izany ny olana. Raha resa-bola sy zo ahafahana mandefa ny sary indray, de averiko ihany fa hetra mitovy no aloa ka tokony hitovy koa ny tambiny. Aoka aloha hatreo sao mivadika resaka hafa eo indray izy ity.
vendredi, avril 14, 2006
Atao inona bypass?
Oadray, inona indray ary ity resaky raepr ity? Ny bypass resahako eto aloha de ilay lalana amboarin'ny japoney, miainga avy eny Ambohimangakely ka hatreny Iavoloha, izany hoe mampitohy ny RN2 sy ny RN7 mivantana, tsy mandalo an'Antananarivo izany. Raha izay lafiny izay no jerena, de hita tokoa ny ilàna ity bypass ity. Ireo fiara vaventy ohatra de tsy voatery handalo an'Antananarivo intsony. Fa ny tsy mazava kely de ity? Ny foto-kevitra niaingana moa tsy hoe arabe ivelan'ny tanàna no atao? Raha izany ary no izy de heveriko fa tokony handray fepetra ny fitondrana mba ho ivelan'ny tanàna foana ity arabe ity. Raha ny hevitro de tokony hamoaka didy ohatra ny fanjakana fa tsy azo anorenan-trano 50 m miala ny arabe. Amin'izao fotoana manko de miakatra izaitsizy ny vidin'ny tany manamorona io lalàna io. Izany hoe afaka 10 taona any ohatra de efa anaty tanàna tanteraka ity arabe vao namboarina ity. De hoy aho hoe mbola bypass ihany ve izy amin'izay?
mardi, avril 11, 2006
Inona no vaovao?
-Manao ahoana ianao? Inona no vaovao?
-Tsy misy! Manao ahoana?
-Tsy misy! Manao ahoana?
Efa fahenonao foana angamba io ampahan-dresaka io. Matetika de izay no henonao miverimberina, tsy misy vaovao ny malagasy rehefa anontaniana. Fa niova kosa io ho an'ny Toamasina.
-Inona no vaovao?
-Dengy ( na tsikongonia )
Mahery loatra manko ity aretina ity. Be ihany koa izay efa voa izay. Ankehitriny moa lazaina fa efa mihena ny aretina. Asa moa na mihena tokoa izy io na ny olona no tsy mankany amin'ny dokotera intsony? Na izany aza, heverina fa hampihena ny aretina ity toetr'andro efa mba misy oranorana matetika ity. De inoana fa mba nitondra lesona ho an'ny vahoaka sy ny mpitondra ity valan'aretina ity. Saingy asa ianareo na mahatsapa hoe inona tokoa moa izany no tena fepetra mba noraisin'ny fanjakana hiatrehana ny toy izao? Ho ahy moa de heveriko foana fa mba tokony ho raisin'ny fanjakana antanana ny saram-pitsaboana amin'ny tranga toy izao. Atao toy ny Sida eh. De mba tokony hojerena koa izay fanampiana azon'ny fanjakana atao amin' ireo orinasa tsy miankina satria de sahirana tokoa izy ireo nohon'ny aretin'ny mpiasa ao aminy. Toa nofinofy ihany anefa izany raha ny fireha-pisaina amin'izao fotoana izao. Iza tokoa moa no mba miresaka ireo hevitra ireo, na mpitondra na mpanohitra, eny na mpanao gazety aza? Ny fahazoako ilay 3P mihintsy angamba no mivilana.
-Inona no vaovao?
-Dengy ( na tsikongonia )
Mahery loatra manko ity aretina ity. Be ihany koa izay efa voa izay. Ankehitriny moa lazaina fa efa mihena ny aretina. Asa moa na mihena tokoa izy io na ny olona no tsy mankany amin'ny dokotera intsony? Na izany aza, heverina fa hampihena ny aretina ity toetr'andro efa mba misy oranorana matetika ity. De inoana fa mba nitondra lesona ho an'ny vahoaka sy ny mpitondra ity valan'aretina ity. Saingy asa ianareo na mahatsapa hoe inona tokoa moa izany no tena fepetra mba noraisin'ny fanjakana hiatrehana ny toy izao? Ho ahy moa de heveriko foana fa mba tokony ho raisin'ny fanjakana antanana ny saram-pitsaboana amin'ny tranga toy izao. Atao toy ny Sida eh. De mba tokony hojerena koa izay fanampiana azon'ny fanjakana atao amin' ireo orinasa tsy miankina satria de sahirana tokoa izy ireo nohon'ny aretin'ny mpiasa ao aminy. Toa nofinofy ihany anefa izany raha ny fireha-pisaina amin'izao fotoana izao. Iza tokoa moa no mba miresaka ireo hevitra ireo, na mpitondra na mpanohitra, eny na mpanao gazety aza? Ny fahazoako ilay 3P mihintsy angamba no mivilana.
lundi, avril 10, 2006
Ny tanindrana sy ny merina
Inona indray ary ity resaka ity hoy ianao. Tsy inona akory fa resa-poko eh. Manahirana ny sasany ihany mantsy ny miresaka azy io. Asa, ny tsy firesahana azy angaha no mahavaha ny olana? Tranga anankiray ary ity hotantaraiko anao ity. Avy any Toamasina ny tenako hiakatra aty Antananarivo. Fiara lehibe ireny no nandehanana. Misy vata fahitalavitra sy famakiana VCD moa ny sasany amin'izy ireny. Rehefa niainga ny fiara de ny hiran'i Njakatiana aloha no nalefa voalohany. Kapila mangirana iray manontolo moa no alefa. Avy eo de ny an'ny tarika Mahaleo indray no nalefan'ny mpamily mpanampy. Vita izay de hira tsotra tsy VCD intsony no nalefa. Hira teny anglisy ilay izy. Dia nifampiresaka ary ireto tovovavy tanindrana anankiroa , nataony mafy tsara mba ho henon'ny olona manodidina : "-ah! izay vao misy hira tsy merina alefan-dry zareo, heverin-jareo fa merina daholo angamba ny olo-jiaby akato."
Nangina ny tena, ary nangina daholo koa ny mpandeha. Tsy te-hifamaly koa moa. Fa de nalahelo eh : aiza ve ka aleony mihaino hira vahiny toy izay mihaino ny hiran'ny mpiray firenena aminy satria samy hafa foko? Tsy izany ve no atao hoe voazanaka ara-kolo-tsaina?
Nitohy ihany ny dia. Teo Mahazo dia nosakanan'ny mpitandro filaminana ny fiara. De niresaka indray izy roa vavy : " De tsara trano Antananarivo ka, ndeha hiresaka amin-dravalomanana mihintsy aho hoe maninona no aty Antananarivo daholo ny trano tsara? " Hay ve ka izany no ao an-tsain'ny tanora tanindrana? Ny fiheverany izany de ny efa-taona nitondrana Merina ny firenena no naha-taraiky ny any anindran-tany? Tsy hiady hevitra lavabe ny tsy maha-lôjika ny heviny aho, saingy ny mampieritreritra ahy de ity : mbola tanora izy roa vavy ireto, inoana fa ny heviny de betsaka azo avy amin'ny hevitry ny fiaraha-monina niaviany. Izany hoe tsy mbola mifankahazo ary mbola ho ela vao hifankahazo resaka ve izany ny Merina sy ny tanindrana amin'ity resaka fampandrosoana ity?
Nangina ny tena, ary nangina daholo koa ny mpandeha. Tsy te-hifamaly koa moa. Fa de nalahelo eh : aiza ve ka aleony mihaino hira vahiny toy izay mihaino ny hiran'ny mpiray firenena aminy satria samy hafa foko? Tsy izany ve no atao hoe voazanaka ara-kolo-tsaina?
Nitohy ihany ny dia. Teo Mahazo dia nosakanan'ny mpitandro filaminana ny fiara. De niresaka indray izy roa vavy : " De tsara trano Antananarivo ka, ndeha hiresaka amin-dravalomanana mihintsy aho hoe maninona no aty Antananarivo daholo ny trano tsara? " Hay ve ka izany no ao an-tsain'ny tanora tanindrana? Ny fiheverany izany de ny efa-taona nitondrana Merina ny firenena no naha-taraiky ny any anindran-tany? Tsy hiady hevitra lavabe ny tsy maha-lôjika ny heviny aho, saingy ny mampieritreritra ahy de ity : mbola tanora izy roa vavy ireto, inoana fa ny heviny de betsaka azo avy amin'ny hevitry ny fiaraha-monina niaviany. Izany hoe tsy mbola mifankahazo ary mbola ho ela vao hifankahazo resaka ve izany ny Merina sy ny tanindrana amin'ity resaka fampandrosoana ity?
lundi, avril 03, 2006
Tsy zaka
Mbola tadidinao ve ilay resabe mikasika ny sariitatry Mahomet? Raha tsiahivina de nizara be ny hevitra tamin'iny. Andaniny ny mpanao gazety eoropeanina izay mihevitra fa manana ny fahafahany ara-pivavahana ka tsy voafehin'ny lalàna silamo. Ankatoavina any amindry zareo rahateo ny zo haneho hevitra tsy ankiteritery. Ankilany ireo silamo ( izy rehetra ve? ) izay mihevitra fa efa mihoatra ny loha ny fihoaram-pefy ataon'ny tandrefana amin'ity fahafahana fahafahana ity. Mba ahoana kosa ary hoy ianao ny fihevitry ny Malagasy nanoloana ireny? Toy ny mahazatra moa de tsy naharaika ny maro an'isa loatra ny vaovao avy any ivelany toy ireny. Fa asa raha mahavaly ny fanontaniana ihany ny tranga izay nahazo ny ekipan'ny "foy hehy". Inona ary izany hoy ianao? Nisy hatsikana izay nolalaovin-dry zalahy. Mompera katôlika sy silamo izay no tao anatiny. Resaka kaonfesy vidim-bola izay no tao. Dia inona hoy ianao no nitranga? Nanjary resa-be tao amin'ny kidaona maraina ilay zavatra. Inona ary no azo ambara? Tsy mbola tantin'ny maro amintsika izany ny fahafahan'ny hafa hitsikera sy hanadrohadro ny fivavahana izay arahintsika? Izy telolahy koa moa de naneho fialantsiny goavana mihitsy ( izay tsy nataon'ireo mpanao gazety danoa ) ary dia nampanantena fa tsy hanao tantara mampihomehy mikasika mompera intsony. Izany hoe isika malagasy izany dia mbola mampandefitra ny fahafahantsika ho fitsinjovana ny fiaraha-monina. Izay koa angamba no tsy nampisy gazety malagasy na dia iray aza namoaka ireo sariitatra? Aiza ho aiza marina ary no misy antsika?
vendredi, mars 24, 2006
Vintana
Ianao ve mba mino ny fisian'ny vintana? Dia raha mino, refesina ammin'ny inona? Fomban'ny zodiaka sa ny fanandroana malagasy? Tato ho ato izay de nalaza ho "ratsy vintana" ity tananan'ny Toamasina ity : ny dengy sy ny tsinkongona mamely, ny rano tondraka, de mbola ampiasan'ny sasany tsaho koa fa hiakatra 50° C hono ny hafanana amin'ny 27 mars ho avy io. Lalina ny gasy raha tsaho an, mba tena hampandaitra azy de lazaina fa efa no hamafisin'ny fampielezam-baovao mihintsy hono io hafanana be io. De lasa ny saiko hoe hay ny tanàna koa manana ny "vintany"? Dia salanisan'isan'ny vintan'ny mponina izany no andrefesana azy? Mba tiako anontaniana ireo mpanandro lahy io zavatra io. Azo avadika koa anefa ny fanontaniana : raha tratry ny tondra-drano nahery vaika i Toamasina tamin'ny volana may 2002, de maro ny kristiana ( indrindra ny merina ) teto an-tanàna no nihevitra fa tena famaizan'Andriamanitra izao zavatra mitranga izao. Mba tiako hohazavain'ny mpitandrina koa lahy raha mitombina izany na tsia. Izaho aloha tsorina fa tsy de mino loatra izany hoe vintana izany, indrindra moa ka hoe jerena amin'ny andro nahaterahana toy ny amin'ny gazety ireny. De mba mitombina ve hoe mitovy vintana izay mitovy andro nahaterahana? De zandrinay izany mitovy vintana amin'ny Bill Clinton moa izaho mitovy vintana amin'ny Monica Lewinsky? Raha mijery ao amin'ny tranonkala serasera ao aho de maromaro ihany no mitovy vaninandro nahaterahana. De azo inoina ve fa mitovy vintana ireo olona ireo? Asa aloha...Fa na izany aza de "bon anniversera" daholo aloha eh
mardi, mars 21, 2006
Sarimihetsika
Tsy de mpijery sarimihetsika loatra aho. Mijery ihany moa izany saingy tsy de maharaka film hoy ny fitenenana. Zava-kanto moa no isokajiana azy. Kolontsaina ihany koa. Ary io indrindra no tiako horesahina aminao. Asa ianao raha mahatsikaritra fa mety hanefy ny toetsainao mihitsy ny sarimihetsika anankiray? Efa elaela izay, fony mbola TVM irery no fahitalavitra, nisy sarimihetsika nitondra ny lohateny hoe "Jamais sans ma fille" nandeha tao. Tantarana vehivavy amerikana iray nanambady iraniana iray. Nanao vakansy tany Iran ry zareo, nony avy eo tsy nety hiverina intsony nedala ary de teo no nipetraka ny olana : ifandroritana ny zaza. De asa ry havana fa vao haingana izay, nisy tovovavy namako izay nila hevitra tamiko. Misy olona mangataka azy ho vady mantsy ka mba maka hevitra amin'olona rakalakely. Metisy arabo ilay bandy ary silamo, rasipa amin'io Fjkm hiringiriny. De asa fa de io sarimihetsika "jamais sans ma fille" io no tonga tao an-tsaiko voalohany ary de notantaraiko azy. Lalina ihany hoy aho avy eo ity kolontsaina ity fa trangam-piainana iray no nisokajiako ny silamo rehetra. Tsy mbola hitako ilay tovolahy fa avy de olona be volombava sy misareba amin'ny lamba fotsy no ao anaty lohako, ary toy ny azoko antoka iny ery fa tsy maintsy hanao vakansy any Arabia ry zareo de ijanona any. Fa de natahotra tokoa aloha rakalakely eh : rava maina mihintsy ny raharaha. Mety anapoahan'ny nedala baomba aho raha fantany izany....
mardi, février 28, 2006
Tsy mahafaty.
Averina matetika ho ren'ny besinimaro fa tsy mahafaty ilay aretina tazo mahazo an'i Toamasina. Asa na noho izay antony izay na ahoana fa tsy de hita loatra izay vahaolana mahomby raisin'ny mpitondra isan-tsokajiny, fa toa vaha-olana peta-toko no betsaka. Asa koa nohon'ny tsy fahampiam-bola angamba. Mahagaga mantsy fa na de mamely mafy noho ny Sida aza aloha ny tazo eto amintsika de tsy mba mahazo tohana ara-bola sy ara-pitondrana betsaka toy ity aretina azo amin'ny fijangajangana ity. Inona tokoa moa ny manakana ny fanjakana tsy hampidina dokotera sy mpitsabo mpanampy aty Toamasina nefa efa hita fa tsy ampy de tsy ampy ny olona aty? Misy fanafody amin'izao fotoana ifampitadiavana eran'ny fivarotam-panafody satria lany. 20 000 Ariary nefa ny vidiny an. Tsy azo noheverina mialoha ve izany? Nahoana koa no tsy raisin'ny fanjakana maimaim-poana ny fitsaboana ny marary toy ny amin'ny Sida? Tsy maharaka ny mpaka fako eto. Tsy mahita vahaolana amin'izany ve ny fitondrana sa tsy azo ihoarana ny fahasamihafana ara-politika misy eo amin'ny fanjakana foibe sy ny mpitondra ny tanàna? Maninona koa no lay foana no idrikinana nefa moka manaikitra atoandro no iadiana? Sa iny no misy lalam-bola avy any ivelany azo anaovana afera? Tsy mba azo eritreretina ve ny hanapariahana ireny ody moka atifitifitra ireny? Asa marina na tsy mahafaty ity dengy ity na ahoana, fa raha ny fitavozavozan'ny mpitondra sy ny adilahy politika aloha de azo antoka fa mahafaty.
lundi, février 27, 2006
Tantara taloha
Tsy hitantara aho akory fa hiresaka tantara. Ianao tokoa ve mba mpihaino tantara amin'ny Radiô? Ilay mandeha amin'ny 1 sy fahefany, tantara mitohy io, de ilay mandeha rehefa sabotsy amin'ny 8 sy sasany hariva. Ny tsikaritra mantsy de tsy mba ahenoana tantara vaovao mihintsy ao fa de ireny tantara efa tany amin'ny taona 80 na talohan'izany foana no miverimberina. Mbola ny feon-dry Vahandanitra sy ry Dawily foana no heno ao. Amin'ny lafiny iray aloha, zava-kanto ireny ka mendrika hotehirizina, nefa koa tokony mba hisy ny tantara vaovao. Sa sanatria ve lany mpanoratra ny Malagasy? Sa ampandeferina foana ny kolo-tsaina satria kely ny vola? Heveriko anefa fa nanana anjara lehibe tamin'ny fampandrosoana ny taniny ireo mpanoratra tany amin'ny firenena mandroso. Mety ho tsy nisy , na nisy fa tara, ny revolisionan'ny 1789 raha tsy teo ry Voltaire mbamin-dry Rousseau. Ny mpanoratra tokoa de afaka manefy ny toe-tsain'ny mpiara-belona aminy. Ary ny mampalahelo amin'ny tantara alefan'ny radio ankehitriny de mbola ireo tantara manindrahindra ny "madinika" sy manakiana ny "kapitalista mpangoron-karena amin'ny tsy rariny" no asesika ao. Raha ny marina, foto-kevitra efa voatsaran'ny tantara no mbola iadiana hevitra. Aiza moa isika no tsy ho taraiky lava eny. Hatramin'ny kolo-tsaina ka hatramin'ny toe-karena.
mercredi, février 22, 2006
Sakafon'arabo
Tsy iresaka sariitatra sy fivavahana silamo aho akory fa resaka sakafo ity horesahiko ity. Asa ianao raha mahatsikaritra fa mitobaka eto amintsika ny sakafo vita na natao ho an'ny arabo. Hatreny amin'ny tsena vaventy io ka hatreny amoron-dalana. Fromazy, biskitra, paty, ireo no tena betsaka. Teny arabo no hitanao eny amin'ny fonony de misy teny anglisy koa. Izany hoe raha ny marina de natao ho an'ny tsena arabo ireny vokatra ireny. Asa moa na misy lalàna mifehy ireny entana ireny fa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe : ny mpanjifa malagasy izany de mihinana izay tsy fantany akory? Angamba tokony ampiharina amin'izay ny lalàna manery ny fonon'ireny vokatra fihinana ireny hisy teny malagasy. Sady tombony ho an'ny mpanjifa izay no hisy akony eo amin'ny fifaneraserana amin'ny vahiny : mba hahaizany manaja ny mpanjifa malagasy. Hatramin'izao mantsy de ambin'entana no alefany aty amintsika. Hilaza angamba ianao hoe kely loatra ny fahefa-mividin'ny malagasy ka tsy ahasarika ny orinasa vaventy ny hanao fonom-bokatra manokana. Hoy kosa aho hoe, na kely vola aza isika, de misy tsena azo trandrahina ihany, ary rehefa tsena de misarika mpampiasa vola. Iza no mahita, mety hiteraka asa aza ny fandraisana io fepetra io : fanamboarana ny fonony aty amintsika.
mardi, février 21, 2006
Tsy matotra
Resy indray ny gasy. Rahoviana moa ny gasy no mba handresy hoy ilay sipa namako anankiray izay. Izy moa tsy de maharaka baolina loatra fa rehefa mihaino vaovao izy de resy foana ny gasy no henony. Mahagaga tokoa anie eh, isika no tokony ho andrarezin'ny baolina kitra eto amin'ny ranomasimbe indiana nefa na dia manjary olana amintsika ny mandingana ireo nosy kely madinika ireo. Firifiry moa ny mpilalao sy mpanazatra malagasy no mila ravinahitra any amin'ireo nosy manodidina? Nahoana tokoa moa no tsy apetraka eto amintsika amin'izay ny rafitra matihanina? Ny ankabeazan'ireo mpilalaontsika ireo anie ka efa mandray vola ihany eh. Amin'izay koa isika, afaka manarama tsara ny mpanazatra malagasy. Mety ho lasa fidirambolan'ny ekipa koa amin'izay ny fanomanana ireo katita kely, no ho antoky ny baolina kitra rahampitso koa. Satria tsorina fa tsy afa-misaraka amin'ny resaka ara-barotra intsony ny baolina ankehitriny. Raha tsy matihanina ianao de tsy ho hita taratra mihitsy na de aty amin'ny sehatra afrikana fotsiny aza. Jereo ireny tamin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika ireny : mpilalao matihanina no miakatra eny fa tsy "mpakafy" fotsiny toy ny antsika malagasy. Ary io no lesoka amintsika : tsy matihanina isika nefa miandrandra vokatra tsara manoloana ireo matihanina. Marina fa misy ny miavaka tsindraindray, fa manamafy ny lalàna ankapobeny fotsiny ireny
lundi, février 20, 2006
Komitin'ny zôridira.
Izany indray izao no malaza eto Toamasina. Efa fotoana elaela tokoa manko izay no nahery vaika ny aretina tazo teto an-tanana. Asa moa na ilay tazo tsikongona avy atsy la Reunion izy io na teratany ihany, fa rehefa ela ny ela dia nahatsapa ihany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny fa maloto loatra ny tanàna ka mora aoka izany ny fipariahan'ny aretina. Aiza kosa moa rey olona, tanàna misy mponina an'hetsiny nefa dia 13 monja ny isan'ny fanariam-pako. De (mody) gaga ny tompon'andraikitra fa ora vitsy monja aorian'ny fanalàna fako de efa feno misavovona manerana ny arabe indray ny fanariam-pako. Ny orinasa miandraikitra ny fanalàna koa moa tsy mahavita manala isan'andro. Ankoatr'izay, mbola ifandroritana koa ny andraikitra.Andaniny, ny ben'ny tanàna, kandida ho filoham-pirenena, manilika amin'ny fitondrana foibe ny tsy fahampiam-bolan'ny kaominina, antony tsy nahafahana naka ny fako. Etsy ankilany, ny faritra, voatendrin'ny filoham-pirenena, "mandingana" ny kaominina, sady te ho lohany rahateo, amin'ny asa fanalàna ny fako. De natsangana ity hoe komitin'ny zôridira. Asa moa fa ny komitin'ny mpianatra, mpianatra no ao; ny komitin'ny mpiasa, mpiasa no ao; enga anie ity komity natsangana ity mba hahavita fotsny ny asany eh.
mardi, février 14, 2006
Samy Valaka
St-Valentin hono eh.
Raha nisy fety tsy mba nahaliana ahy de ity St-Valentin ity no anisany. Hatramin'izay ny mpifankatia tsy nila azy io. Izao ka toy ny tsy mba mpifankatia raha tsy mifanolotra fanomezana kely rehefa St-valentin, zavatra azo atao tsara na andavanandro aza. Ny tena angamba no tara amin'ny fandrosoana fa raha ny fijeriko azy de fetin'ny mpivarotra ny St-Valentin fa tsy fetin'ny mpifankatia velively. Asa loatra moa fa isika malagasy de fatra-panaraka ny fombam-bazaha. Taloha vitan'ny mofomamy isan-tokantrano ny fankalazana tsingerintaona. Izao ka ikapohana atody eny antampon-doha hatrany ampianarana. Raha tsy manao izany de toa mahamenatra ny sasany ery. Asa na fantany ny vidin'ny atody any andafy miohatra amin'ny karamany sy ny vidin'ny atody aty Madagasikara. Tsy takatry ny kely vola hoy Sareraka izay. Izao ka na andro talata aza, mahita manao cabaret ny mpanakanto. Mbola hiasa na hianatra nefa rahampitso an. Vola ho azy kosa moa ko. Ny tena fotsiny no valaka avy any. Ny paosy koa valaka. De samy valaka eh.
Inscription à :
Articles (Atom)