jeudi, novembre 30, 2006

Lova iombonana

Fotoam-pifidianana moa ankehitriny. De manao fampielezan-kevitra hanohanany ny kandida tohanany ny mpanao pôlitika. De mirotsaka koa ny mpanakanto sy ireo sokajin'olona hafa. Samy manana ny fomba fanaovany izany ny rehetra. Fa ny mba nahalasa saina ahy ary tsoriko fa tena tsy mety amiko de izay niseho tao amin'ny gazety "Ao Raha" omaly ( 29 Novambra). Inona ary izany hoy ianao? Teo amin'ny pejy faha-8, pejin'ny dokam-barotra de "gazety" iray mitokana no hitanao eo : gazety "Ny Mpanolo-tsaina". Ihagamainty no mpanoratra ao. Ny "Hagamainty" malaza de ilay mpanolo-tsaina an'Andrianampoinimerina. Ity mpanjaka ity moa de fantatra fa ny fahendren'ny mpanolo-tsainany no naha-mpanjaka lehibe azy. Tsy mampaninona ahy ny isaloran'ny mpandoka ny anarana ihagamainty, ny anarana tanim-boanjo rahateo,adidiny kosa ny manao izay hahatonga azy ho mendrika ny anarana entiny. Ny tsy mety amiko kosa de ny nanaovany ity "gazetiny" hoe "Ny Mpanolo-tsaina". NY gazety "Mpanolo-tsaina" fantatro de gazety nivoaka tamin'ny faramparan'ny taon-jato faha 19 sy fiandohan'ny taonjato faha-20. Gazety navoakan'ny fiangonana ary nahitana ny soratr'ireo "sangany" teto amin'ny firenena. Tao ohatra no nanoratan'ny pasitera Ravelojaona ny lahatsoratra nipoiran'ny VVS. Eo ihany koa ny lahatsoratr'ireo mpitandrina izay heverina fa avo fahalalana ny teôlôjia ( Rabary, Andriamifidy..). Nahafahan'ny malagasy mba nanoratra ny tantara-pireneny koa tao. Nisy endrika famahoahana ny siansa koa aza tao. Ireo avara-pianarana protestanta indrindra moa no tena niantefan'ity gazety ity. Ankehitriny de aman'aliny maro no anombanan'ny mpivarotra ny vidin'ny laharana iray raha sendra mahita aza ianao. Raha tsorina, de azo heverina ho toy ny lova iombonan'ny malagasy, mitovy laharana amin'ny "Tantaran'ny Andriana" ity gazety ity.Raha misy afaka mihambo ho tompony, de ataoko fa ny FJKM, mpandimby ireo misiona namoaka azy taloha, fa tsy Ihagamainty velively. Raha tsy diso aho, niezaka namerina namoaka ity gazety ity rahateo ny FJKM, saingy tsy hita ny tohiny. Na izany na tsy izany, izao fihetsika izao de mariky ny tsy fanajantsika malagasy ny tantara sy ny lova iombonana : omena loko pôlitika ny anarana izay tsy misy ifandraisany amin'ny fifidianana ho avy. Iza no hanome hasina antsika raha isika aza tsy mahay manaja ireo ntaolo reharehan'ny fireneny tamin'ny fotoan'androny? Sarotra amiko ny hino fa amin'izao taonjato izao no hisy mpanoratra frantsay hanao solon'anarana La Fontaine na amerikana hamoaka gazety hoe "The Federalist". Fanajana tena koa ny fanajana ny anarana malaza taloha.

mercredi, novembre 08, 2006

Aleo tsy miresaka

Asa ianareo raha efa tratry izay fotoana hoe aleo tsy miresaka zay. Iaraha-mahalala moa fa maina be ny andro amin'izao. Fianarantsoa tsy misy rano moa Antananarivo milona ao anaty setroky ny doro-tanety. Sendra tafaresaka tamin'olona izay aho teo Marozevo ( RN2) .
-Efa ela angaha no tsy nisy orana taty hoy aho mantsy azy.
-Ie efa ela.
-Ary ahoana ity setroka doro tanety ity?
-Ry zareo manao vary sy tsaramaso io eh, ngaha moa de heverinareo fa dorana fahatany io tanety io fa ilaina amin'ny fambolena anie io eh.
Naleoko najanona ny resaka de ny lalako no nasiako olona haingana.

mercredi, juillet 05, 2006

Resy sa nandresy?

Marina fa lalao ny Mondial, nefa na izany aza de tsapa fa misy "lalao" hafa koa ao ambadika. Ny an-dry zareo frantsay no tena nahaliana ahy. Ny malaza any amin-dry zareo moa izao de ilay lalàna novolavolain'ny ministry ny atitany Sarkozy. Lalàna izay heverina fa hamerana ny fifindramonin'ny afrikana any Frantsa. Ny ankabeazan'ny tany afrikana moa izany de manakiana ity lalàna ity avokoa. Asa koa na dia tena tsy mahay baolina ireo frantsay fotsy na ahoana fa de saiky frantsay mainty avokoa no mandrafitra ny ekipam-pirenen-dry zareo. Tamin'ny fiandohan'ny Mondial moa de toa tsy nahomby loatra ry zalahy ireto. Kanjo de tonga amin'ny antsasa-dalana ihany. Be ary ny nihevitra fa resy ingahy Sarkozy. Asa koa na izaho no tsy maharaka na ilay rangahy ity no tsy tia baolina fa tsy de hitako amin'ny vaovao loatra ny heviny amin'ity mondial ity, raha tazana matetika sy efa naneho hevitra ny filoha frantsay Jacques Chirac. Raha ny fahitako azy koa de maika loatra ireo mpanakiana ny ministra hilaza fa tsy mitombina ny hevitr'ity farany. Satria raha ny zava-misy aloha izao de vao mainka manome rariny azy. Raha ny pôlitikany mantsy no jerena de tsy mila vahiny izy afa-tsy izay ilain'ny tsenan'asa any aminy na koa afaka hanindrahindra ny endriky lafrantsa. Ireo mpanao fanatanjahantena moa izany de izay no tena andrasany aminy : ny handresy. Ary de mazoto ry zareo handray izay kinga sy efa hita porofo fa mahay. Soa aloha fa mba misy ihany ny afrikana no mitazona ny zom-pireneny, fa eritrereto ange raha hoe lasa teratany frantsay daholo ry Drogba sy ireo kintan'ny baolina afrikana ireo. Angamba de ho ekipa roa ihany sisa no avelan'ny Fifa hisolo tena an'i Afrika amin'ny mondial manaraka

lundi, mai 15, 2006

Vaovao manokana

Aminareo, inona no karazambaovao anaovana vaovao manokana tsy amin'ny ora mahazatra? Mba nahavariana ahy mantsy ny omaly izay tao amin'ny TVM. Tamin'ny 9 ora sy fahefany alina, rehefa nifarana ny sarimihetsika voalohany ka tokony hiditra amin'ny faharoa de nanao vaovao manokana ny TVM. Taitra kely ny tena hoe misy zava-dehibe izany matoa nanaovana vaovao manokana. Inona ary hoy ianareo? Hay ny faha-folo taonan'ny Synaodam-paritany FJKM Atsimon'Iarivo. Sady nihomehy tena aho no gaga. Ilay izy manko efa hitako tamin'ny oran'ny vaovao mahazatra ihany no naverina. Ny kabarin'ny filoha moa izany no tena notaterina tao fa izay toriteny tany tsy nisy niraharaha. Ny tenanay angamba no tsy nianatra fampitam-baovao fa raha ny hevitro, raha de atao drindran-gilo loatra ny vaovao toy itony, mahamonamonaina ihany ny farany. Fa ry zareo moa izany mahatsapa fa misy ny tsy mijery vaovao kanefa tokony ahita ny ataon'ny filoha ka dia amin'ny oran'ny sarimihetsika no andefasana azy. Ny toy itony no tsy maharesy lahatra ahy mihitsy ny amin'ny tokony mbola hisian'ny "haino aman-jerin'ny fanjakana"

mercredi, avril 26, 2006

Tsy maharaka baolina

Hiresaka kely momba an'i Toamasina indray aloha aho. De hiresaka baolina ihany koa. Tsy de ny baolina gasy momba ny uscafoot sy ny Usjf loatra fa momba ny baolina eoropeanina. Tsy izany mantsy fa de tena tsy maharaka mihitsy ny tenanay. Nefa anie de mba te-hanaraka ihany, saingy...Fa ahoana ary hoy ianao? Tsy misy mandefa eh. Omaly izao de reraka fotsiny namadibadika chaine fa de ehe, tsy misy...tsy nahita arsenal indray izany. Asa indray androany. Ny matetika mitranga de androany vao alefan-dry zareo ny baolina omaly. Ny vokatra moa efa henonao izany. Ny mahavariana de ity : ny TVM ao Tana de mandefa mivantana ny lalao, ka nahoana izahay no voatery tsy maintsy hiandry andro manaraka vao mahita? Sao de mba tokony ampitovian'ity fahitalavi-panjakana ity ihany ny mpijery rehetra. Azo natao tsara ohatra ny nandefa mivantana ny lalao famaranana frantsay, ka nahoana no tsy azo atao ny mandefa mivantana rehefa champions league? Tsy resaka teknika izany ny olana. Raha resa-bola sy zo ahafahana mandefa ny sary indray, de averiko ihany fa hetra mitovy no aloa ka tokony hitovy koa ny tambiny. Aoka aloha hatreo sao mivadika resaka hafa eo indray izy ity.

vendredi, avril 14, 2006

Atao inona bypass?

Oadray, inona indray ary ity resaky raepr ity? Ny bypass resahako eto aloha de ilay lalana amboarin'ny japoney, miainga avy eny Ambohimangakely ka hatreny Iavoloha, izany hoe mampitohy ny RN2 sy ny RN7 mivantana, tsy mandalo an'Antananarivo izany. Raha izay lafiny izay no jerena, de hita tokoa ny ilàna ity bypass ity. Ireo fiara vaventy ohatra de tsy voatery handalo an'Antananarivo intsony. Fa ny tsy mazava kely de ity? Ny foto-kevitra niaingana moa tsy hoe arabe ivelan'ny tanàna no atao? Raha izany ary no izy de heveriko fa tokony handray fepetra ny fitondrana mba ho ivelan'ny tanàna foana ity arabe ity. Raha ny hevitro de tokony hamoaka didy ohatra ny fanjakana fa tsy azo anorenan-trano 50 m miala ny arabe. Amin'izao fotoana manko de miakatra izaitsizy ny vidin'ny tany manamorona io lalàna io. Izany hoe afaka 10 taona any ohatra de efa anaty tanàna tanteraka ity arabe vao namboarina ity. De hoy aho hoe mbola bypass ihany ve izy amin'izay?

mardi, avril 11, 2006

Inona no vaovao?

-Manao ahoana ianao? Inona no vaovao?
-Tsy misy! Manao ahoana?

Efa fahenonao foana angamba io ampahan-dresaka io. Matetika de izay no henonao miverimberina, tsy misy vaovao ny malagasy rehefa anontaniana. Fa niova kosa io ho an'ny Toamasina.
-Inona no vaovao?
-Dengy ( na tsikongonia )
Mahery loatra manko ity aretina ity. Be ihany koa izay efa voa izay. Ankehitriny moa lazaina fa efa mihena ny aretina. Asa moa na mihena tokoa izy io na ny olona no tsy mankany amin'ny dokotera intsony? Na izany aza, heverina fa hampihena ny aretina ity toetr'andro efa mba misy oranorana matetika ity. De inoana fa mba nitondra lesona ho an'ny vahoaka sy ny mpitondra ity valan'aretina ity. Saingy asa ianareo na mahatsapa hoe inona tokoa moa izany no tena fepetra mba noraisin'ny fanjakana hiatrehana ny toy izao? Ho ahy moa de heveriko foana fa mba tokony ho raisin'ny fanjakana antanana ny saram-pitsaboana amin'ny tranga toy izao. Atao toy ny Sida eh. De mba tokony hojerena koa izay fanampiana azon'ny fanjakana atao amin' ireo orinasa tsy miankina satria de sahirana tokoa izy ireo nohon'ny aretin'ny mpiasa ao aminy. Toa nofinofy ihany anefa izany raha ny fireha-pisaina amin'izao fotoana izao. Iza tokoa moa no mba miresaka ireo hevitra ireo, na mpitondra na mpanohitra, eny na mpanao gazety aza? Ny fahazoako ilay 3P mihintsy angamba no mivilana.