Inona indray ary ity resaka ity hoy ianao. Tsy inona akory fa resa-poko eh. Manahirana ny sasany ihany mantsy ny miresaka azy io. Asa, ny tsy firesahana azy angaha no mahavaha ny olana? Tranga anankiray ary ity hotantaraiko anao ity. Avy any Toamasina ny tenako hiakatra aty Antananarivo. Fiara lehibe ireny no nandehanana. Misy vata fahitalavitra sy famakiana VCD moa ny sasany amin'izy ireny. Rehefa niainga ny fiara de ny hiran'i Njakatiana aloha no nalefa voalohany. Kapila mangirana iray manontolo moa no alefa. Avy eo de ny an'ny tarika Mahaleo indray no nalefan'ny mpamily mpanampy. Vita izay de hira tsotra tsy VCD intsony no nalefa. Hira teny anglisy ilay izy. Dia nifampiresaka ary ireto tovovavy tanindrana anankiroa , nataony mafy tsara mba ho henon'ny olona manodidina : "-ah! izay vao misy hira tsy merina alefan-dry zareo, heverin-jareo fa merina daholo angamba ny olo-jiaby akato."
Nangina ny tena, ary nangina daholo koa ny mpandeha. Tsy te-hifamaly koa moa. Fa de nalahelo eh : aiza ve ka aleony mihaino hira vahiny toy izay mihaino ny hiran'ny mpiray firenena aminy satria samy hafa foko? Tsy izany ve no atao hoe voazanaka ara-kolo-tsaina?
Nitohy ihany ny dia. Teo Mahazo dia nosakanan'ny mpitandro filaminana ny fiara. De niresaka indray izy roa vavy : " De tsara trano Antananarivo ka, ndeha hiresaka amin-dravalomanana mihintsy aho hoe maninona no aty Antananarivo daholo ny trano tsara? " Hay ve ka izany no ao an-tsain'ny tanora tanindrana? Ny fiheverany izany de ny efa-taona nitondrana Merina ny firenena no naha-taraiky ny any anindran-tany? Tsy hiady hevitra lavabe ny tsy maha-lôjika ny heviny aho, saingy ny mampieritreritra ahy de ity : mbola tanora izy roa vavy ireto, inoana fa ny heviny de betsaka azo avy amin'ny hevitry ny fiaraha-monina niaviany. Izany hoe tsy mbola mifankahazo ary mbola ho ela vao hifankahazo resaka ve izany ny Merina sy ny tanindrana amin'ity resaka fampandrosoana ity?

1 commentaire:
Izaho kosa dia gaga tanteraka nahita fa ity lohahevitra ity no nahabe mpamaky "post"nao. Sao dia nisy namoaka tany ambadimbadika tany. Zava-misy kosa anie no tantaraina ary entiny hanamelohany ireo izay mitady handranitra fiandrafiana ity soratra ity e! tsy aleo ve potsirina ny vay dieny mbola kelikely ny mivoaka tahaka izao? asa aloha...
Enregistrer un commentaire