Tsy de mpijery sarimihetsika loatra aho. Mijery ihany moa izany saingy tsy de maharaka film hoy ny fitenenana. Zava-kanto moa no isokajiana azy. Kolontsaina ihany koa. Ary io indrindra no tiako horesahina aminao. Asa ianao raha mahatsikaritra fa mety hanefy ny toetsainao mihitsy ny sarimihetsika anankiray? Efa elaela izay, fony mbola TVM irery no fahitalavitra, nisy sarimihetsika nitondra ny lohateny hoe "Jamais sans ma fille" nandeha tao. Tantarana vehivavy amerikana iray nanambady iraniana iray. Nanao vakansy tany Iran ry zareo, nony avy eo tsy nety hiverina intsony nedala ary de teo no nipetraka ny olana : ifandroritana ny zaza. De asa ry havana fa vao haingana izay, nisy tovovavy namako izay nila hevitra tamiko. Misy olona mangataka azy ho vady mantsy ka mba maka hevitra amin'olona rakalakely. Metisy arabo ilay bandy ary silamo, rasipa amin'io Fjkm hiringiriny. De asa fa de io sarimihetsika "jamais sans ma fille" io no tonga tao an-tsaiko voalohany ary de notantaraiko azy. Lalina ihany hoy aho avy eo ity kolontsaina ity fa trangam-piainana iray no nisokajiako ny silamo rehetra. Tsy mbola hitako ilay tovolahy fa avy de olona be volombava sy misareba amin'ny lamba fotsy no ao anaty lohako, ary toy ny azoko antoka iny ery fa tsy maintsy hanao vakansy any Arabia ry zareo de ijanona any. Fa de natahotra tokoa aloha rakalakely eh : rava maina mihintsy ny raharaha. Mety anapoahan'ny nedala baomba aho raha fantany izany....
2 commentaires:
Lalina indray izany. Asa tokoa na prejugEs izany na tsia, asa raha rariny na tsia, fa dia izay aloha ny sarisary nasisiky ny haino aman-jery tandrefana ao an-dohan-tsika ...
Dray! na ny fanjakana malagasy ary lasa matahotra sarebareba lozantany koa. Teo ireo dimy sa efa-dahy naverina nody tany frantsan "nihaviany" dia nisy saiky nosakanana ihany koa fa nahazo fahazoan-dalana 15 andro ihany.
Enregistrer un commentaire