jeudi, novembre 30, 2006

Lova iombonana

Fotoam-pifidianana moa ankehitriny. De manao fampielezan-kevitra hanohanany ny kandida tohanany ny mpanao pôlitika. De mirotsaka koa ny mpanakanto sy ireo sokajin'olona hafa. Samy manana ny fomba fanaovany izany ny rehetra. Fa ny mba nahalasa saina ahy ary tsoriko fa tena tsy mety amiko de izay niseho tao amin'ny gazety "Ao Raha" omaly ( 29 Novambra). Inona ary izany hoy ianao? Teo amin'ny pejy faha-8, pejin'ny dokam-barotra de "gazety" iray mitokana no hitanao eo : gazety "Ny Mpanolo-tsaina". Ihagamainty no mpanoratra ao. Ny "Hagamainty" malaza de ilay mpanolo-tsaina an'Andrianampoinimerina. Ity mpanjaka ity moa de fantatra fa ny fahendren'ny mpanolo-tsainany no naha-mpanjaka lehibe azy. Tsy mampaninona ahy ny isaloran'ny mpandoka ny anarana ihagamainty, ny anarana tanim-boanjo rahateo,adidiny kosa ny manao izay hahatonga azy ho mendrika ny anarana entiny. Ny tsy mety amiko kosa de ny nanaovany ity "gazetiny" hoe "Ny Mpanolo-tsaina". NY gazety "Mpanolo-tsaina" fantatro de gazety nivoaka tamin'ny faramparan'ny taon-jato faha 19 sy fiandohan'ny taonjato faha-20. Gazety navoakan'ny fiangonana ary nahitana ny soratr'ireo "sangany" teto amin'ny firenena. Tao ohatra no nanoratan'ny pasitera Ravelojaona ny lahatsoratra nipoiran'ny VVS. Eo ihany koa ny lahatsoratr'ireo mpitandrina izay heverina fa avo fahalalana ny teôlôjia ( Rabary, Andriamifidy..). Nahafahan'ny malagasy mba nanoratra ny tantara-pireneny koa tao. Nisy endrika famahoahana ny siansa koa aza tao. Ireo avara-pianarana protestanta indrindra moa no tena niantefan'ity gazety ity. Ankehitriny de aman'aliny maro no anombanan'ny mpivarotra ny vidin'ny laharana iray raha sendra mahita aza ianao. Raha tsorina, de azo heverina ho toy ny lova iombonan'ny malagasy, mitovy laharana amin'ny "Tantaran'ny Andriana" ity gazety ity.Raha misy afaka mihambo ho tompony, de ataoko fa ny FJKM, mpandimby ireo misiona namoaka azy taloha, fa tsy Ihagamainty velively. Raha tsy diso aho, niezaka namerina namoaka ity gazety ity rahateo ny FJKM, saingy tsy hita ny tohiny. Na izany na tsy izany, izao fihetsika izao de mariky ny tsy fanajantsika malagasy ny tantara sy ny lova iombonana : omena loko pôlitika ny anarana izay tsy misy ifandraisany amin'ny fifidianana ho avy. Iza no hanome hasina antsika raha isika aza tsy mahay manaja ireo ntaolo reharehan'ny fireneny tamin'ny fotoan'androny? Sarotra amiko ny hino fa amin'izao taonjato izao no hisy mpanoratra frantsay hanao solon'anarana La Fontaine na amerikana hamoaka gazety hoe "The Federalist". Fanajana tena koa ny fanajana ny anarana malaza taloha.

1 commentaire:

jentilisa a dit…

Marina tokoa fa "lova iombonana" ny gazety "Ny Mpanolo-tsaina" ary mbola nitohy moa io famoahana "gazety" nolazain-dRaepr io. Fa mieritreritra aho hoe sao dia noho izay izy ela izay no mba hanararaotan'Ihagamainty hampamerina anaran-gazety tahaka izao? Mety ho te-haoaka gazety mitondra io lohateny io koa izy avy eo. Ny somary mahavariana etsy ankilan'izay, mahatsiaro izay nahita io gazety taloha io fa teny malagasy ranoiray no namoahana ny lahatsoratra tao amin'io gazety io taloha. Ity "gazety" vaovao ity anefa mamoaka zavatra amin'ny teny frantsay...mety ho misy fahasimbany avy hatrany ilay tarazo tokony hipetraka amin'ilay "Ny Mpanolo-tsaina" an!