vendredi, avril 14, 2006
Atao inona bypass?
Oadray, inona indray ary ity resaky raepr ity? Ny bypass resahako eto aloha de ilay lalana amboarin'ny japoney, miainga avy eny Ambohimangakely ka hatreny Iavoloha, izany hoe mampitohy ny RN2 sy ny RN7 mivantana, tsy mandalo an'Antananarivo izany. Raha izay lafiny izay no jerena, de hita tokoa ny ilàna ity bypass ity. Ireo fiara vaventy ohatra de tsy voatery handalo an'Antananarivo intsony. Fa ny tsy mazava kely de ity? Ny foto-kevitra niaingana moa tsy hoe arabe ivelan'ny tanàna no atao? Raha izany ary no izy de heveriko fa tokony handray fepetra ny fitondrana mba ho ivelan'ny tanàna foana ity arabe ity. Raha ny hevitro de tokony hamoaka didy ohatra ny fanjakana fa tsy azo anorenan-trano 50 m miala ny arabe. Amin'izao fotoana manko de miakatra izaitsizy ny vidin'ny tany manamorona io lalàna io. Izany hoe afaka 10 taona any ohatra de efa anaty tanàna tanteraka ity arabe vao namboarina ity. De hoy aho hoe mbola bypass ihany ve izy amin'izay?
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
1 commentaire:
Ary ahoana ireny fiara mijanona eo ampovoan'ny lalana ireny fa mirevy hono. Manaraka izany de maro be ireo misongna fiara ato amin'ny akavanana rehefa eny amin'ireny lalambe ireny. mampihomehy no sady masosotra. Marina tokoa fa toa manao fanjakan'ny baroa isika mianakavy ka tsy manaja ny zava-bita.
Enregistrer un commentaire