Averina matetika ho ren'ny besinimaro fa tsy mahafaty ilay aretina tazo mahazo an'i Toamasina. Asa na noho izay antony izay na ahoana fa tsy de hita loatra izay vahaolana mahomby raisin'ny mpitondra isan-tsokajiny, fa toa vaha-olana peta-toko no betsaka. Asa koa nohon'ny tsy fahampiam-bola angamba. Mahagaga mantsy fa na de mamely mafy noho ny Sida aza aloha ny tazo eto amintsika de tsy mba mahazo tohana ara-bola sy ara-pitondrana betsaka toy ity aretina azo amin'ny fijangajangana ity. Inona tokoa moa ny manakana ny fanjakana tsy hampidina dokotera sy mpitsabo mpanampy aty Toamasina nefa efa hita fa tsy ampy de tsy ampy ny olona aty? Misy fanafody amin'izao fotoana ifampitadiavana eran'ny fivarotam-panafody satria lany. 20 000 Ariary nefa ny vidiny an. Tsy azo noheverina mialoha ve izany? Nahoana koa no tsy raisin'ny fanjakana maimaim-poana ny fitsaboana ny marary toy ny amin'ny Sida? Tsy maharaka ny mpaka fako eto. Tsy mahita vahaolana amin'izany ve ny fitondrana sa tsy azo ihoarana ny fahasamihafana ara-politika misy eo amin'ny fanjakana foibe sy ny mpitondra ny tanàna? Maninona koa no lay foana no idrikinana nefa moka manaikitra atoandro no iadiana? Sa iny no misy lalam-bola avy any ivelany azo anaovana afera? Tsy mba azo eritreretina ve ny hanapariahana ireny ody moka atifitifitra ireny? Asa marina na tsy mahafaty ity dengy ity na ahoana, fa raha ny fitavozavozan'ny mpitondra sy ny adilahy politika aloha de azo antoka fa mahafaty.
mardi, février 28, 2006
lundi, février 27, 2006
Tantara taloha
Tsy hitantara aho akory fa hiresaka tantara. Ianao tokoa ve mba mpihaino tantara amin'ny Radiô? Ilay mandeha amin'ny 1 sy fahefany, tantara mitohy io, de ilay mandeha rehefa sabotsy amin'ny 8 sy sasany hariva. Ny tsikaritra mantsy de tsy mba ahenoana tantara vaovao mihintsy ao fa de ireny tantara efa tany amin'ny taona 80 na talohan'izany foana no miverimberina. Mbola ny feon-dry Vahandanitra sy ry Dawily foana no heno ao. Amin'ny lafiny iray aloha, zava-kanto ireny ka mendrika hotehirizina, nefa koa tokony mba hisy ny tantara vaovao. Sa sanatria ve lany mpanoratra ny Malagasy? Sa ampandeferina foana ny kolo-tsaina satria kely ny vola? Heveriko anefa fa nanana anjara lehibe tamin'ny fampandrosoana ny taniny ireo mpanoratra tany amin'ny firenena mandroso. Mety ho tsy nisy , na nisy fa tara, ny revolisionan'ny 1789 raha tsy teo ry Voltaire mbamin-dry Rousseau. Ny mpanoratra tokoa de afaka manefy ny toe-tsain'ny mpiara-belona aminy. Ary ny mampalahelo amin'ny tantara alefan'ny radio ankehitriny de mbola ireo tantara manindrahindra ny "madinika" sy manakiana ny "kapitalista mpangoron-karena amin'ny tsy rariny" no asesika ao. Raha ny marina, foto-kevitra efa voatsaran'ny tantara no mbola iadiana hevitra. Aiza moa isika no tsy ho taraiky lava eny. Hatramin'ny kolo-tsaina ka hatramin'ny toe-karena.
mercredi, février 22, 2006
Sakafon'arabo
Tsy iresaka sariitatra sy fivavahana silamo aho akory fa resaka sakafo ity horesahiko ity. Asa ianao raha mahatsikaritra fa mitobaka eto amintsika ny sakafo vita na natao ho an'ny arabo. Hatreny amin'ny tsena vaventy io ka hatreny amoron-dalana. Fromazy, biskitra, paty, ireo no tena betsaka. Teny arabo no hitanao eny amin'ny fonony de misy teny anglisy koa. Izany hoe raha ny marina de natao ho an'ny tsena arabo ireny vokatra ireny. Asa moa na misy lalàna mifehy ireny entana ireny fa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe : ny mpanjifa malagasy izany de mihinana izay tsy fantany akory? Angamba tokony ampiharina amin'izay ny lalàna manery ny fonon'ireny vokatra fihinana ireny hisy teny malagasy. Sady tombony ho an'ny mpanjifa izay no hisy akony eo amin'ny fifaneraserana amin'ny vahiny : mba hahaizany manaja ny mpanjifa malagasy. Hatramin'izao mantsy de ambin'entana no alefany aty amintsika. Hilaza angamba ianao hoe kely loatra ny fahefa-mividin'ny malagasy ka tsy ahasarika ny orinasa vaventy ny hanao fonom-bokatra manokana. Hoy kosa aho hoe, na kely vola aza isika, de misy tsena azo trandrahina ihany, ary rehefa tsena de misarika mpampiasa vola. Iza no mahita, mety hiteraka asa aza ny fandraisana io fepetra io : fanamboarana ny fonony aty amintsika.
mardi, février 21, 2006
Tsy matotra
Resy indray ny gasy. Rahoviana moa ny gasy no mba handresy hoy ilay sipa namako anankiray izay. Izy moa tsy de maharaka baolina loatra fa rehefa mihaino vaovao izy de resy foana ny gasy no henony. Mahagaga tokoa anie eh, isika no tokony ho andrarezin'ny baolina kitra eto amin'ny ranomasimbe indiana nefa na dia manjary olana amintsika ny mandingana ireo nosy kely madinika ireo. Firifiry moa ny mpilalao sy mpanazatra malagasy no mila ravinahitra any amin'ireo nosy manodidina? Nahoana tokoa moa no tsy apetraka eto amintsika amin'izay ny rafitra matihanina? Ny ankabeazan'ireo mpilalaontsika ireo anie ka efa mandray vola ihany eh. Amin'izay koa isika, afaka manarama tsara ny mpanazatra malagasy. Mety ho lasa fidirambolan'ny ekipa koa amin'izay ny fanomanana ireo katita kely, no ho antoky ny baolina kitra rahampitso koa. Satria tsorina fa tsy afa-misaraka amin'ny resaka ara-barotra intsony ny baolina ankehitriny. Raha tsy matihanina ianao de tsy ho hita taratra mihitsy na de aty amin'ny sehatra afrikana fotsiny aza. Jereo ireny tamin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika ireny : mpilalao matihanina no miakatra eny fa tsy "mpakafy" fotsiny toy ny antsika malagasy. Ary io no lesoka amintsika : tsy matihanina isika nefa miandrandra vokatra tsara manoloana ireo matihanina. Marina fa misy ny miavaka tsindraindray, fa manamafy ny lalàna ankapobeny fotsiny ireny
lundi, février 20, 2006
Komitin'ny zôridira.
Izany indray izao no malaza eto Toamasina. Efa fotoana elaela tokoa manko izay no nahery vaika ny aretina tazo teto an-tanana. Asa moa na ilay tazo tsikongona avy atsy la Reunion izy io na teratany ihany, fa rehefa ela ny ela dia nahatsapa ihany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny fa maloto loatra ny tanàna ka mora aoka izany ny fipariahan'ny aretina. Aiza kosa moa rey olona, tanàna misy mponina an'hetsiny nefa dia 13 monja ny isan'ny fanariam-pako. De (mody) gaga ny tompon'andraikitra fa ora vitsy monja aorian'ny fanalàna fako de efa feno misavovona manerana ny arabe indray ny fanariam-pako. Ny orinasa miandraikitra ny fanalàna koa moa tsy mahavita manala isan'andro. Ankoatr'izay, mbola ifandroritana koa ny andraikitra.Andaniny, ny ben'ny tanàna, kandida ho filoham-pirenena, manilika amin'ny fitondrana foibe ny tsy fahampiam-bolan'ny kaominina, antony tsy nahafahana naka ny fako. Etsy ankilany, ny faritra, voatendrin'ny filoham-pirenena, "mandingana" ny kaominina, sady te ho lohany rahateo, amin'ny asa fanalàna ny fako. De natsangana ity hoe komitin'ny zôridira. Asa moa fa ny komitin'ny mpianatra, mpianatra no ao; ny komitin'ny mpiasa, mpiasa no ao; enga anie ity komity natsangana ity mba hahavita fotsny ny asany eh.
mardi, février 14, 2006
Samy Valaka
St-Valentin hono eh.
Raha nisy fety tsy mba nahaliana ahy de ity St-Valentin ity no anisany. Hatramin'izay ny mpifankatia tsy nila azy io. Izao ka toy ny tsy mba mpifankatia raha tsy mifanolotra fanomezana kely rehefa St-valentin, zavatra azo atao tsara na andavanandro aza. Ny tena angamba no tara amin'ny fandrosoana fa raha ny fijeriko azy de fetin'ny mpivarotra ny St-Valentin fa tsy fetin'ny mpifankatia velively. Asa loatra moa fa isika malagasy de fatra-panaraka ny fombam-bazaha. Taloha vitan'ny mofomamy isan-tokantrano ny fankalazana tsingerintaona. Izao ka ikapohana atody eny antampon-doha hatrany ampianarana. Raha tsy manao izany de toa mahamenatra ny sasany ery. Asa na fantany ny vidin'ny atody any andafy miohatra amin'ny karamany sy ny vidin'ny atody aty Madagasikara. Tsy takatry ny kely vola hoy Sareraka izay. Izao ka na andro talata aza, mahita manao cabaret ny mpanakanto. Mbola hiasa na hianatra nefa rahampitso an. Vola ho azy kosa moa ko. Ny tena fotsiny no valaka avy any. Ny paosy koa valaka. De samy valaka eh.
Inscription à :
Articles (Atom)